← Bibikely rehetra

Thrips

📖 Ny mombamomba azy


⚡ Fitrangany hita maso
Misy pentina kely miloko volomboasy, tsy mitovy endrika na habe ary manana famirapiratana toy ny metaly, miseho eo amin'ny ravina miova tsikelikely ho faritra maty (necrotic) sy lasa miloko volontany hatsatra ireo pentina ireo. Ahitana teboka mainty kely maro koa eo amin'ireo pentina ireo, izay sisa navelan'ny bibikely Matetika dia mivadika mavo (chlorotic) sy very famirapiratana ireo ravina voa. Tsara homarihina fa mpitondra viriosy ireo bibikely ireo, indrindra fa ny viriosy Tomato spotted wilt virus (TSWV), izay mety hiteraka fahasimbana lehibe amin'ny voly salady.
🔄 Fitombony
Ny tsingerim-piainan'ny "thrips" dia ahitana dingana enina : atody, dingana roa amin'ny maha-olitra azy, dingana roa mialoha ny maha-pupa azy, ary ny dingana maha-biby matotra azy). Miovaova ny faharetan'izany tsingerina izany arakaraka ny hafanana sy ny zavamaniry iainany.Mipetraka eo amin'ny faritra ambonin'ny zavamaniry, Rehefa foy ireo olitra tena mavitrika dia mihinana ny faritra ambanin'ny ravina izy ireo. Rehefa tapitra ny dingana faharoa amin'ny maha-olitra azy, dia milatsaka amin'ny tany izy ireo ary miova ho pupa (dingana fiovana ho biby matotra). Ny dingana voalohany alohan'ny hiovana ho pupa dia miavaka amin'ny fisehoan'ny fototr'elatra manomboka mivoatra. Ny dingana faharoa alohan'ny hiovana ho pupa izay manana loko hatsatra kokoa, dia mampiseho fototr'elatra efa mivoatra kokoa sy tandroka lava miolaka mankany amin'ny faritra aorian'ny vatana. Manana elatra roa tsiroaroa efa mivoatra tsara ireo biby matotra
📅 Fotoana matetika hitrangany
Vanim-potoana mafana sy mandomando
🌿 Vaha-olana biolojika na ady gasy