← Aretina rehetra

Taches foliaires et pourriture de la pomme

« Pentina amin'ny ravina sy aty »
🔬 Fiaviny, fitrangany

Bakteria: Xanthomonas campestris pv. vitians

🌦️ Tontolo mampiroborobo azy
  1. hamandoana be : ando maraina, ny orana, ary ny fanondrahana amin'ny alalan'ny famafazana rano avy any ambony
  2. hafanana eo anelanelan'ny 0 sy 35°C, fa ny tena mety indrindra amin'ny fitomboany dia eo anelanelan'ny 26 sy 28°C (maty io bakteria io rehefa mahatratra 52°C na mihoatra ny hafanana)
  3. fisian'ny ratra na ny fahasimbana vokatry ny fanala.
👁️ Fitrangany

-pentina kely mitovitovy amin'ny tasy menaka, matetika eo amin'ny ravina efa matotra tsara sy eo amin'ny sisin'ny ravina. Ireo pentina ireo dia mivelatra haingana avy eo; boribory ihany ny endriny, mando sy mangarahara, ary miova tsikelikely ho volontany maizina na mainty rehefa mihalehibe. Mihalehibe sy mitambatra ireo pentina; ary amin'ny farany, dia voakasika avokoa ny ravina manontolo. Hita ihany koa ny fahalazoana miendrika litera V izay manomboka eo amin'ny sisin'ny ravina. Miova ho volontany tsikelikely ny afovoan'ireo faritra simba ary maty ny sela ao, indrindra rehefa mihatsara ny toetr'andro ka lasa maina kokoa ny rivotra.

- fahalovana mando eo amin'ny tahon'ny zavamaniry tanora

📖 Ny mombamomba azy

Mitovitovy be amin'ny an'ny Pseudomonas cichorii ny fitondran-tenan'ity bakteria Xanthomonas campestris mahatonga ity aretina ity. Maharitra izy io ary miparitaka amin'ny alalan'ny voan'ny salady volena. Mety hahavoa ny poivron sy ny voatabia ihany koa ity aretina ity