← Aretina rehetra

oidium

« holatra fotsy/kifotsy »
🔬 Fiaviny, fitrangany

champignon/holatra : Golovinomyces cichoracearum var. cichoracearum

🌦️ Tontolo mampiroborobo azy

hafanana eo anelanelan'ny 4 sy 32°C, hazavana miparitaka

👁️ Fitrangany

Misy sosona toy ny volon'ondry, miloko fotsy somary volondavenona sady toy ny vovoka, miseho voalohany ho toy ny pentina eo amin'ny ilany ambony amin'ny ravina efa lehibe. Mitatra tsikelikely ireo pentina ireo ka mitambatra mandrakotra ampahany lehibe amin'ny velaran'ny ravina. Indraindray dia hita eo amin'ny ilany ambany amin'ny ravina koa ireo pentina ireo. Matetika dia mivadika mavo (chlorotic) ny sela voan'ny aretina ary ahitana faritra maty miloko volontany tsy mitovy endrika vokatry ny fahafatesan'ny selan'ny zavamaniry. . Ireo zavamaniry efa lehibe sy ireo ravina efa antitra no tena voa mafy.

📖 Ny mombamomba azy