Anthracnose du haricot vert
1 / 2
🔬 Fiaviny, fitrangany
Champignon : Colletotrichum lindemuthianum
🌦️ Tontolo mampiroborobo azy
Fiparitahana: amin’ny alalan’ny ranonorana, rano mitifitra ary fifampikasohan’ny zavamaniry.
Tontolo manamora ny fiforonany: hamandoana be maharitra sy orana matetika.
👁️ Fitrangany
- Ravina: misy tasy madinika volontany ka hatramin’ny mainty, indraindray voahodidin’ny faritra mavo.
- Taho: misy tasy lava volontany na mainty, mety hiteraka fahalemen’ny taho.
- Gousse: misy tasy boribory volontany na mainty, matetika milentika kely.
- Voa: mety hisy tasy volontany na mainty
- Amin’ny tranga mafy: mety ho malazo ny zavamaniry ary mihena be ny vokatra.
📖 Ny mombamomba azy
Haavon’ny fahasimbana na loza ateraky ny Anthracnose
- Haavo: Aretina manimba hatrany @85% ny voly haricot-vert raha tsy voafehy.
- Fiantraikany: Mampihena ny fitomboan’ny zavamaniry sy ny vokatra.
- Gousse: Mety hiteraka tasy sy fahasimban’ny gousse ka hampihena ny kalitaon’ny vokatra.
Voany/masomboly: Mety ho voan’ny aretina ny voa ka hampiely indray ny aretina amin’ny fambolena manaraka
🌱 Voly voakasika

