← Aretina rehetra

Nervation noire du Pak Choï

« Lo mainty »
🔬 Fiaviny, fitrangany
  1. Ny lo mainty  dia aretina bakterianina vokatry ny bakteria Xanthomonas campestris pv. campestris. Mety hamely ny Pak choï sy ireo zavamaniry hafa ao amin'ny fianakavian’ny anana  Brassicaceae izy. Miparitaka indrindra amin'ny alalan'ny rano, orana, rano fanondrahana, fitaovana ary ravina na zavamaniry efa voan'ny aretina. Afaka miditra amin'ny zavamaniry amin'ny alalan'ny ratra na amin'ny vavahadin-drivotra eo amin'ny ravina ihany koa ilay bakteria.


🌦️ Tontolo mampiroborobo azy

mafana sy mando ny toetr'andro;

misy orana na fanondrahana mampando ravina matetika;

mijanona ela mando ny ravina;

misy ratra amin'ny ravina noho ny bibikely, rivotra na asa eny an-tsaha;

tery loatra ny fambolena ka tsy ampy ny fivezivezen'ny rivotra;

mampiasa voa na zana-ketsa efa voan'ny bakteria;

averina matetika amin'ny toerana iray ireo karazan’anana ( Brassicacées).

👁️ Fitrangany

Manomboka amin'ny sisiny amin'ny ravina ny tasy.

Miseho aloha ny tasy mavo.

Miitatra mankany afovoan'ny ravina ilay tasy ka matetika miendrika V.

Mihamaizina ilay faritra voa ka lasa volontsôkôlà hatramin'ny mainty.

Ny lalan-dravina ao anatin'ilay faritra voa dia mety ho lasa mainty.

Raha tapahina ny ravina na pétiole dia mety ho hita fa mainty/volontsôkôlà ny lalan-drano anatiny.

Rehefa mandroso ny aretina dia mety ho malazo sy maina ny ravina

📖 Ny mombamomba azy
  1. Mety ho aretina lehibe amin'ny Pak choï izy raha miparitaka be.

Rehefa voa mafy:

mihena ny habetsahan'ny ravina salama;

mihena ny fitomboan'ny zavamaniry;

mihena ny kalitao ara-barotra;

mety ho malazo ny zavamaniry;

amin'ny tranga mafy dia mety ho faty ny zanak’anana.

Ny olana lehibe dia ny fahafahan'ilay bakteria miparitaka haingana rehefa mando ny ravina