← Aretina rehetra

Rouille blanche du Pak choï

« Arafesina fotsy »
🔬 Fiaviny, fitrangany

Ny arafesina fotsy (na rouille blanche) amin'ny pak choï (bok choy) dia aretina vokatry ny zavamiaina madinika kantsentsitra antsoina hoe Albugo candida. Tsy tena holatra izy io fa oomycète (karazana katsentsitra) izay tia ny tontolo mangatsiaka sy mando

🌦️ Tontolo mampiroborobo azy
  1. mangatsiatsiaka sy mando ny toetr'andro; avo ny hamandoan'ny rivotra; mijanona ela mando ny ravina; misy orana matetika; tsy ampy ny fivezivezen'ny rivotra eo amin'ny zavamaniry.


👁️ Fitrangany

Amin'ny ambanin'ny ravina: Misy vovoka fotsy mivongana kely (pustules) mitovy amin'ny herana na arafesina.

Amin'ny ambony ravina: Misy pentimpentina mavo na somary matroka mifandraika amin'ilay fotsy any ambany.

Rehefa lasa lavitra: Mihasimba ny ravina, Mety hahatonga ny ravina hiforitra, hihorona na hiova endrika izany, ary mety ho faty mihitsy ny fotony

📖 Ny mombamomba azy
  1. Ho an'ny Pak choï, ny aretina dia mety hiteraka fahasimban'ny ravina sy fihenan'ny fitomboana, ka mety hisy fiantraikany amin'ny kalitao sy ny vokatra raha betsaka ny ravina voa, nefa tsy tena hoe hahafaty azy tanteraka fa miankina be amin’ny toetr’andro ny hahafaty azy raha tena tsy voajery be ilay voly


🌿 Vaha-olana biolojika na ady gasy